Fametrahana ireo mpikambana ao amin’ny CRCO Analamanga

Nivory teto amin ny biraon ny FARITRA ANALAMANGA anio ireo tompon Andraikim-panjakana rehetra eto Analamanga izay notarihan ny GOVERNORA Hery RASOAMAROMAKA ary naitana ny solontenan’ny Ben’ny tananan’ny CUA, ny lefitrin ny Prefektora, ireo Sefo distrika, ireo Solombavam bahoaka, ireo talem-paritra avy amin ny ministera isan-tsokajiny, ary ny tompon’andraikitra avy amin ny Polisy, zandary, miaramila…sns. Nifampidinihina teto ny hananganana sy hametrahana avy hatrany ireo mpikambana ao amin’ny CRCO Analamanga mba ahafahana mametraka ny tetikady maty paika mba ahitana vahaolana haingana hiadiana amin ny aretina Coronavirus indrindra fa ny eto amin ny FARITRA ANALAMANGA izay tena hita sy tsapa fa miparitaka be tokoa.”

Close Menu